.

Zanako Vavy Lyrics

Handeha ianao ô ry zanako vavy

F'efa io ialy fanilon'ny andronao ho avy
Handeha ianao ô, handeha ka mahereza

Ny tokantranonao iriako hateza

Ny masoko raha toa manganohano

Tsy tomanin'alahelo fa andon-tso-drano ô ô ô

Mifarana eto ny anay ny adidy

Lehibe ianao ka tompon-tsafidy

Handeha ianao ô, lasan'iny olona iny

Tsy fanta-pototra, mpandalo, mpivahiny

Handeha ianao ô, ianao ilay tsy sarako

Hanadino ahy, hanadino ny anarako

Aza mieritreritra fahasarotam-piaro

Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro ô ô ô

Fa izahay no tany naniriana

Mahararirary na tiana na tsy tiana
Handeha lala ô, ô ô handeha lala ô

Mpihindrana izahay fa tsy natao ho tompony

Handeha lala ô, ô ô handeha lala ô

Ny mamy lasany, ny hany anay dia ny fofony

Handeha ianao ô ry zanako vavy

F'efa io ilay hameno ny andronao ho avy

Handeha ianao ô, handeha ka matokia

Enga anie ka tsy ho sampona ny dia

Ny reninao aza avela hangina

Fa efa nisotro ny rano tsy tiana ô ô ô

Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
Ireo nahary mba tsiditsidio

Omeko anao ô, anao ry tovolahy

Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy

Omeko anao ô, f'izaho tsy ho sarotiny

Nefa mba amelao fitia potipotiny

Izahay tsy mitady vali-babena

Fa ny fitiavany no aza avela hihena ô ô ô

Fa raha tsy izay dia hahatsiaro ho kamboty

Toy ny mpamboly tsy afa-mioty

Handeha lala ô, ô ô handeha lala ô

Voatery hangina na tsy mahafoy

Handeha lala ô, ô ô handeha lala ô

Raha misy maha ory, izy amin'izay no antsoy
Report lyrics
Tadidiko (1997)
Tadidiko Ry Zalahy Efa Ela Rehefa Maty Aho Tontolo iainana Rafahafahana Paiso Ra-kena Voakazo Voarara Iantrao Salanitra Volasoa Meloka Raha Noana Ny Kibo Zanako Vavy Rahoviana Indray Moa