.

Rafahafahana Lyrics

Tiako,tiako
ary tena faniriako
raha ialahy,no mba namana,
Mety handray,ireto,
Ireto tanana
Indrisy,indrisy,
Toa mitady ny tsy misy
Fa ialahy,Rafahafahana
Toa mandà,tsy mety,
Mety ho namana...

Teto aho,dia nipitrapitra,
Sy nitsiriritra,
Ny sty natao ho ahy
Nefa,fitia tsy mety ritra,
Mikiry sy maditra,
Natokako an'ialahy.....

Indraindray,indraindray,
Variana aho mijery an'ialahy
Manantona,ireo zay tsy mitady,
Fa miavona,anay,
Zay mandadilady....

Inona,inona,
No anaovan'ialahy ahy tsinontsinona,
Manavaka trano hidirana,
Sa ve ialahy,mifidy,
Fihodirana.......
Zahay ety,
Mijinja ny mafaitra,
Mitaty ny tsy laitra,
Tsy afaka manoatra
Iandrasana,hitondra takaitra,
Zay ngamba ialahy vao taitra,
Sao dia mba tara loatra....

Potika,potika,
Fo sy saina rotidrotika,
Miantomboka,ny faharavana
Ka eo ilay,ry,ry figadrana..

Foiko,foiko,
Raha ny foko no henoiko
Hanome ny Aiko,
Mba ho sorona,
Ka ny fanahiko,hitovy
Amin'ny vorona......
Aoka aho,
Mba ho tompon-tsafidy,
Mba tsy havela hihidy,
Ty vavako miteny
Ampy ho ahy izay,
Nitondra mangidy,
Tsy tiako ho tadidy,
Reny rehetra ireny...

F'izaho sy ialahy,
Hamafy hafaliana,
Hanome fanampiana,
Ny mitovy amiko,
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
FAHAFAHANA no iriana,
Ho an'ny Taniko..........

Ho an'ny Gasy tsy ankanavaka
Rindra,14 Décembre 2001
Report lyrics
Tadidiko (1997)
Tadidiko Ry Zalahy Efa Ela Rehefa Maty Aho Tontolo iainana Rafahafahana Paiso Ra-kena Voakazo Voarara Iantrao Salanitra Volasoa Meloka Raha Noana Ny Kibo Zanako Vavy Rahoviana Indray Moa