.

Meloka Lyrics

Fantatro fa tsy azo atao
Meloka aho ny mitia anao
saingy tsy voatana ny fo
Hitia anao an-tsokosoko.
Ireo tanako am-po tsy hilaoka
Noferako tsy navelako hivaoka
Anefa toa hery tsy hay tohaina
Tiako hodradradradraina

Fa eo ianao anilako eo
Hitako sy reko feo
Toa akaiky nefa tsy takatro
Tsy ho ahy ianao fa fantatro
Fa ny anao ny fo efa mana-tandrify
efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify
Ny ahy misy tady eny am-bohozonana
midiridiry tsy hay takonana

Ny taonantsika koa manelanelana
izaho efa halazo ianao vao voa hamelana
Ianao ary elatra enti-hisidina
izaho efa hitsingidina
Ny tanantsika dia hifanantona
Nefa tsy mihaona akory indreny miantona
Samy tia nefa tsy manantena
Ny lalantsika tsy hifanena...
Report lyrics
Tadidiko (1997)
Tadidiko Ry Zalahy Efa Ela Rehefa Maty Aho Tontolo iainana Rafahafahana Paiso Ra-kena Voakazo Voarara Iantrao Salanitra Volasoa Meloka Raha Noana Ny Kibo Zanako Vavy Rahoviana Indray Moa