.

Paiso Ra-kena Lyrics

Vokatra ireo paiso ra-kena
Mirehitra ireo azo mivoara mena
Ao avaratrin'ny abatoira
Mihintsina ireo masaka
Alakamisy ariva andro tsy fianarana
Mifampitantana izay roa lahy
Ho any avaratrin'ny abatoira
Hangalatra ireo paiso ra-kena

Ref : Mena mena asa raha tadidin'ialahy
Mena mena ny lokon'ny fahatsiarovana

Rehefa tonga eny ambony paiso
Hidiko ny varavarana
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra sy ny tany
Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roa lahy amin'izany
Boba-dra amin'ny paiso ra-kena

Ref : ......

Indray alakamisy izy tsy tonga
Fa lasa nifindra lavitra
Sendra ariva mena masoandra
Noheveriko fa fara-andro
Nody ao tsy saha nangala-paiso
Nifampitantana izao sy halaheloko
Ao avaratrin'ny abatoira
Mihintsana ny fahatsiarovana

Rehefa lehibe izao hamboly paiso
Ny tokontaniko fenoiko
Ho vokatraireo paiso ra-kena
Ho tonga ireo ankizy hangalatra

Ref : .......
Report lyrics
Tadidiko (1997)
Tadidiko Ry Zalahy Efa Ela Rehefa Maty Aho Tontolo iainana Rafahafahana Paiso Ra-kena Voakazo Voarara Iantrao Salanitra Volasoa Meloka Raha Noana Ny Kibo Zanako Vavy Rahoviana Indray Moa