.

Lendrema Lyrics

LENDREMA

Laso roa lendrema
Laso roa lendrema
Zanaka lahy an-drarederve
Nandeha niala any Ankazomalaza
Iao iao iao ia ia ia iao
Lendrema maditra
Lendrema maditra
Mamalivaly an'ny ray aman-dreny
Manao kamokamo mitsaoka raharaha
Iao iao iao ia ia ia iao

Naka fiara-kodia
Lendrema maditra
Lasa nitsaoka any Antananarivo
Lasa nitsaoka any Antananarivo
Iao iao iao ia ia ia iao

Tsy hita intsony lendrema
Tsy hita intsony lendrema
Mitomany an'I dada sy neny
Mitomany an'I zoky sy zandry
Iao iao iao ia ia ia iao

Any Anjanamasina
Any Anjanamasina
No hahitana ireo adala
No hahitana ny zaza maditra
Iao iao iao ia ia ia iao

Nandeha nody any ankazomalaza
Lendrema fa tsy zakany fa lasa adala
Tany andrefan'i Antanarivo
Nandeha nody any ankazomalaza
Fa voavelively fa zaza maditra
Tany andrefan'i Antanarivo

Tonga soa lendrema
Tonga soa leiry e
Faly izy leisy ka Faly izy leisy razandry a (x2)

Ory vola ory harena lendrema
Fa tsy nahita asa ka nivenjivenjy
Tany ambanivohitry ny ray amandreniny(x2)

Tonga soa lendrema
Tonga soa leiry e
Very izy leisy ka very izy leisy razandry a(x2)
Alan'ny olona any ankazomalaza
Lendrema ka tandritandremana sao dia maditra
Ka voateniteny ireo fokon'olona(x2)

Nony maty lendrema
Dia lamba mena no gony
Sy tavoangy natao tamin'ny kaiska ny azy
Nony maty lendrema
Nony maty lendrema
Tsy nisy nandevina
Tsy nisy nandevina izany

Ity tantara ity dia tantara Drema
Tantara Drema ilay maty ny ditra
Rehefa maty Drema
Dia mbola velona ny zanany

Zanak'I Drema dia zanaka jomaka
Zanaka jomaka hony ao a
Zanaka jomaka hony ao a
Jomaka jomaka jomaka jomaka
Mirenireny foana eny an'tanana(x2)

Bofinay tany i teka
Bofinay tany i teka
Niteka niteka niteka
Renireny lava eny amin'ny lalana(x2)

Dadanay efa tsy eo intsony
Dadanay efa tsy eo intsony
tsy eo intsony(x3)
Fa efa matimaty faona
Amin'ny rotaka(x2)
Zanak'I drema zanak'I drema
Zaza kamboty navelan'I drema
Teraka latsaka teny an-tsena
Zanak'I drema zanak'I drema
Zanaka andevo tsy maha te ho tia
Zaza maditra tsy vita sonia

Izy izy izy no zanam-bahoaka(x4)
Na zanaka jomaka aza izy e
Nahoana no ihomezana fotsiny
Na hatahorana(x2)

Zanak'I drema zanak'I drema
tsy misy vola hifidianana vary
mangaro paosy dia mamaky trano
jomaka jomaka jomaka

Zanak'I drema zanak'I drema
Tsy misy dada tsy misy neny
Ny arabe no ray aman'dreny
Izy izy izy no zanam-bahoaka(x4)

Na zanaka jomaka aza izy e
Nahoana no ihomezana fotsiny
Na hatahorana(x2)

Zanak'i drema zanak'i drema
Zanaka jomaka zanaka alika
Zanaka jomaka zanaka alika
Zanak'i drema zanak'i drema
Mizara vary amin'ny zanak'alika
Mizara vary amin'ny zanak'alika
Izy izy izy no zanam-bahoaka(x4)

Tsy hita intsony lendrema
Tsy hita intsony lendrema
Mitomany an'I dada sy neny
Mitomany an'I zoky sy zandry
Iao iao iao ia ia ia iao
Report lyrics