.

Te mba ho ... Lyrics

Misy fitiavana tiako lazaina
Reko mitempo reko miaina
Ao anatiko ao misy feo mitalaho
Mitaraina miantso anao.
Toa manery toa tsy ho tanty
Ilay vetso-po izay miery ao anaty
Tsy mba mionona nefa tsy hay kobonina
Ilay iray minitra hitiavako anao.

Ref:Te ho eny aminao eny aho
Te mba ho fiainanao
Aza avela irery eto aho
Fa te mba ho namanao.
Ilay tsikitsiky fanaonao iny
Azo sary an-tsaina rehefa iny aho mangigina
Tsy indray tsy indroa f'efa maro tokoa
Ilay bitsika milaza ao am-po.

Misy nofy,misy vetso aingam-panahy
Misy hery iray toa maloka ahy
Mitombo isan'andro tsy mety miato.
Mameno fo 100%
Ref:Te ho eny aminao eny aho
Te mba ho fihininao
Aza avela irery eto aho
Fa te mba ho namanao
Report lyrics