.

Lazao azy Lyrics

Ampitapitao any ny hafatro
Raha mba mandalo any ianao
Lazao izy hoe
Efa ela ihany no tsy tazany
Sa efa adinonao ny fisiany ao ?
Raha toa sitrakao
Dia izao lazao :
Fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy niova na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa haitraitra
Fa rehefa tia dia ho doria
Valiny tsotra : eny na tsia
Dia bitsibitsio eo an-tsofiny
Fa mbola tia azy aho hatramin' izao
Raha sanatria mifanohitra
Izay valinteniny lazainy anao
Raha toa sitrakao
Dia izao lazao :

Fa mbola tiany foana hono ianao
Tsy miova na ho ela na ho haingana
Fitia tsy sangisangy na koa haitraitra
Fa rehefa tia dia ho doria
Valiny tsotra : eny na tsia
Report lyrics