.

Dila Lyrics

Lasa ianao tsy niherika intsony
Nandray lamba tapa-kevitra fa hiainga
Any aminy angamba mahafinaritra kokoa
Sahinao no nidila ny lalako
Nefa izaho tsapako fa mbola tia
Marary ahy ny tenako nanimbinana
Tsy nampoiziko ianao hahavita izany
Tampoka, tampoka tsy mahalehilahy

Famerenana:

Fony isika vao nifankalala
Hoatry ny tsy ho faty ny aina
Tsy nifankafohy, mifampitaritarika
Mifanadala!! aoka fotsiny hoa an!!
Lalaina an! hamonon-tena teo izaho
Valio fa aleoko tsy mihaina tsy eo ianao
Ho kaloiko fa ny amintsika ho doria
Sanatria ny hivadika dia sanatria

Ny hiafarany anagamba hijanona ho mpinamana
Fitiavana mampikiky sy mampitomany
Mankalao nefa tolo-Janahary
Ekeko raisiko am-pitiavana
Famerenana:

Fony isika vao nifankalala
Hoatry ny tsy ho faty ny aina
Tsy nifankafohy mifampitaritarika
Mifanadala!!
Aoka fotsiny fa mankarary fo
Mankarary fo..
Report lyrics
Mipoitra Avy Lavitra (2012)
Tsy Lavorary Avaka Embonia Falifaly Fongory Mangina Raha Andrian-Dray Nofy Tsy Marina Vazo Zana-Javatra Enga Anie Apokalipsy Dila Tsy Hita
Top Apost Lyrics